Tononkalon’i Rado

Imaintikely

Ho any ianao,kanefa….
Aza ataonao fantany izao fahoriako izao
Fa aoka hiafina aminy
Ny ketoky ny jaly
Nanempaka ny aiko,tanatin’ny longoa
Izay namandrihany ahy…
Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina,
Fa sempo-tsasak’alina
Misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany!
…Raha manontany izy,
Iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
Ny saiko manontolo.
“Rako-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa
natoraky ny Adaoro”
Ireto diary ireto lazao fa efa may
Sy tapitra efa kila…
….Fa ny volofotsiko,
Ny ketrokentron’handriko
Afeno dia afeno !
Azonao izany ?

Etsy kely koa
Hafarako ianao !Jereo raha sambatra izy !
Mba hamantaranao dia ireto no fambara :
“Ao an’ efitranony :misy voninkazo
Tsy maintsy mavokely…
Eo an-doha-fandrianany :
Ny sarin’olotiany…na iza n’iza izay “
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
Ka aza asiana resaka momba ahy akory,
F’izany rahateo no niriko ho azy…

Izay no hafatrafatro
Ka tazony tsara …Ary dia veloma !
Saingy etsy ange !
‘Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
Mandra-pifandray ny tànanao sy ny azy…

Eny e ! Ampy izay.Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
Io varavarako io
Fa hitomany aho…

Janoary 1966

Advertisement

There are no comments on this post.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Connecting to %s

Follow

Get every new post delivered to your Inbox.